Luke 6

1Ary tamin’ny Sabata dia nandeha nankany an-tanimbary Jesosy ary ireo mpianatra naka ny salohim-bary, nikosoka izany tamin’ny tanan’izy ireo ary nihinana ny voa. 2Fa ny sasany tamin’ireo Fariseo kosa niteny hoe: “Nahoana ianareo no manao zavatra tsy ara-dalàna ny manao azy amin’ny andro Sabata?”

3Namaly azy ireo, Jesosy niteny hoe: “Mbola tsy novakianareo akory ve izay nataon’i Davida rehefa noana izy, izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy? 4Nandeha nakao an-tranon’Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon’ny fanatrehana sy nihinana ny ampahany tamin’izany, ary nomeny apahany koa ny lehilahy izay niaraka taminy mba hihinana, na dia ny mpisorona ihany aza no araka ny lalàna raha mihinana izany.” 5Avy eo Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Ny Zanak’Olona dia Tompon’ny Sabata.”

6Ary tamin’ny Sabata hafa dia nandeha tao amin’ny synagoga Izy dia nampianatra ny vahoaka tao. Nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao. 7Njery akaiky Azy tsara ireo mpanora-dalana sy ireo fariseo mba hahita raha hanasitrana olona amin’ny Sabata Izy, mba afahan’izy ireo mahita antony hiampangana Azy. 8Kanefa fantany izay tao an-tsain’ireo ary nilaza tamin’ilay lehilahy izay maty tanana Izy hoe: “Mitsangàna, ary mankanesa eto afovoan’ny olon-drehetra eto.” Koa nitsangana ilay lehilahy ary nitsangana teo.

9Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Manontany anareo aho, ara-dalàna amin’ny Sabata ve ny fanaovana ny tsara sa ny fanaovana ny ratsy, ny manavotra aina sa ny mamotika azy?” 10Ary nijery ny manodidina azy rehetra Izy ka niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Nanao izany izy, ary sitrana ny tanany. 11Nefa feno hatezerana izy ireo ary nifampiresaka momba izay mety ho hataon’izy ireo amin’i Jesosy.

12Tamin’izany andro izany dia nandeha nankany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. Notohizany nandritra ny alina tontolo ny fivavahana tamin’Andriamanitra. 13Rehefa tonga ny andro, niantso ny mpianany ho eo aminy Izy, ary nifidy roa ambin’ny folo tamin’ireo Izy, izay nantsoiny ihany koa hoe Apostoly.

14Ny anaran’ireo Apostoly ireo dia Simona (izy izay antsoina ihany koa hoe Petera) ary ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakoba zanaka lahin’i Alfeo, Simona izay antsoina hoe Zelota, 16Jodasy zanak’i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga mpamadika.

17Avy eo Jesosy nidina ny tendrombohitra niaraka tamin’izy ireo dia nitsangana tamin’ny tany marina niaraka tamin’ny mpianany maro sy vahoaka maro avy any Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin’ny Tyro sy Sidona. 18Tonga ireo mba hihaino Azy ary mba ho sitranina amin’ny aretin’izy ireo. Sitrana ihany koa ny vahoaka izay korontanin’ny fanahy maloto. 19Ny olon-drehetra tamin’ireo vahoaka dia niezaka ny hikasika Azy hatrany satria nivoaka avy taminy ny hery manasitrana, ary sitrany avokoa izy rehetra.

20Dia nijery ny mpianany Izy, ary niteny hoe: “Sambatra ianareo izay mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. 21Sambatra ianareo izay noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo izay mitomany ankehitriny, fa hiomehy ianareo.

22Sambatra ianareo rehefa mankahala anareo ny olona ary rehefa ahilik’izy ireo sy haratsian’izy ireo ianareo, nohon’ny amin’ny Zanak’Olona. 23Mifalia amin’izany andro izany ary mibitaha an-kafaliana, satria azo antoka fa hahazo valisoa lehibe any an-danitra ianareo, fa mitovy amin’izany no nitondran’ny razan’ireo an’ireo mpaminany.

24Fa loza ho anareo izay manan-karena, fa efa azonareo izay mahafa-po anareo. 25Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo any aoriana any. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hisaona sy hitomany ianareo any aoriana any.

26Loza ho anareo, rehefa milaza tsara momba anareo ny olona rehetra, fa mitovy amin’izany ny nataon’ny razan’izy ireo tamin’ireo mpaminany sandoka.

27Fa milaza aminareo izay mihaino Aho, tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara amin’izay mankahala anareo. 28Tahio izay manozona anareo ary mivavaha ho an’ireo izay manao tsinontsinona anareo.

29Raha misy mamelaka ny takolakao iray, dia omeo azy koa ny ilany. Raha misy olona maka ny lambanao, aza mihazona na dia ny akanjonao koa aza. 30Omeo izay rehetra mangataka aminao. Raha misy olona maka ny zavatra izay anao, aza mangataka ny hamerenany izany aminao.

31Tahaka izay tianao hataon’ny olona aminao, dia tokony hataonao amin’izy ireo koa izany. 32Raha izay olona tia anao ihany no tiavinao, inona no soa ho azonao amin’izany? Fa na ny mpanota aza mba tia an’izay tia azy koa. 33Raha amin’izay olona manao soa anao ihany ianao no manao soa, inona no soa ho azonao amin’izany? Fa na ny mpanota aza dia manao toy izany. 34Raha tsy mampindrana afa-tsy amin’izay olona handrasana fa hamerina izany aminao ihany ianao, inona no soa ho azonao amin’izany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazoana torak’izany koa.

35Fa tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara ho azy ireny. Mampindrama ka aza miandry valiny ary ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, fa Izy tenany dia tsara fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny olona ratsy fanahy. 36Manàna famindram-po, tahaka ny Rainareo mpamindra fo.

37Aza mitsara, ary tsy ho tsaraina ianareo. Aza manameloka, ary tsy ho melohina ianareo. Mamelà ny hafa, ary ho avela ianareo.

38Manomeza, dia omena anareo izany. Fahafoizana be _ izay atafotafo, miara-voahontsana ary mitobaka _ no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana anareo toy izany koa.”

39Avy eo Izy nanao fanoharana tamin’izy ireo koa. “Moa ve ny olona jamba afaka mitarika olona jamba hafa? Raha manao izany izy, dia mety hilatsaka any an-kady izy roa, sa tsia? 40Ny mpianatra iray dia tsy lehibe noho ny mpampianany, fa izay rehetra nahatanteraka ny fiofanana dia hitovy amin’ny mpampianany.

41Fa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo kely izay ao anatin’ny mason’ny rahalahinao, kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kazo ao anaty masonao? 42Ahoana no itenenanao ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, mamelà ahy hanala ny sombin-kazo eo amin’ny masonao eo io,’ rehefa tsy hitanao akory ny vatan-kazo eo amin’ny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Esory eo amin’ny masonao aloha ny vatan-kazo, avy eo dia hahita tsara ianao ka afaka hanala ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.

43Fa tsy misy hazo tsara hamokatra voankazo lo, na hoe hazo lo hamokatra voankazo tsara. 44Fa ny hazo tsirairay dia fantatra amin’ny karazam-boankazo izay vokariny. Fa tsy afaka ny hioty aviavy amin’ny tsilo ny olona, na haka voaloboka amin’ny hazona voaroy.

45Ny olona tsara mamokatra izay tsara avy amin’ny harena soan’ny fony, ary ny olona ratsy mamokatra izay ratsy avy amin’ny haren-dratsin’ny fony. Fa izay aloaky ny fony no tenenin’ny vavany.

46Fa maninona ianareo no miantso Ahy hoe: ‘Tompo, Tompo,’ kanefa ianareo tsy mankatoa izay zavatra teneniko? 47Ny olona rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ary mankatoa izany, dia ho lazaiko anareo hoe toy ny inona izy. 48Tahaka ny olona izay nanangana trano izy, izay nandavaka lalina teo amin’ny tany ary nanorina ny fototry ny trano teo ambony vatolampy. Rehefa tonga ny tondra-drano, dia nandriaka nanohitra izany trano izany ny rano be, fa tsy nampiontsona azy, satria tsara orina ilay izy.

Ary izay olona mandre ny teniko nefa tsy mankatoa izany, dia mitovy amin’ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany ka tsy nanisy fototra. Rehefa nandriaka namely io trano io ny rano be, dia nianjera avy hatrany izany, ary rava tanteraka izany trano izany.”

49

Copyright information for PltULB